Mialoha ny ampahavalon-dalana : Miisa 7 ireo mpanazatra nametra-pialana

Efa fomba mahazatra any amin’ny tany mandroso ny fametraham-pialan’ireo mpanazatra. Anton’izany ny tsy fahombiazan’ny ekipa. Hatreto, miisa 7 ireo niala amin’ny andraikitra nosahaniny ka tsy hitantana intsony ny ekipam-pirenena.

Tsy miandry esorina fa aorian’ny faharesen’ny ekipa, avy hatrany dia mametraka ny taratasy fialany any amin’ny federasionina misy azy ireo ny mpanazatra tsy ma­homby. Tsy manipy ny andraikitra any amin’ireo mpilalao izy ireo, fa manetri-tena, tsy nahavita ny zavatra notakina taminy. Hatreto, miisa 7 ireo mpanazatra niala tamin’ny toerany. Ani­san’izany, i Julian Nagelsmann, nitondra ny Mannschaft Alle­magne. Ny Rainiboto izay lavo teo amin’ny ampaha-16-ndalana. Ankehi­triny, miresaka amin’ i Jurgen Klopp, handimby an’i Nagels­mann, ny federasionina alemà.
Eo koa i Ronald Koeman, an’i Pays-Bas. Nambarany fa antony manokana ny fialany ary raisiny ny andraikitra na­aresy ny Les Oranjes. Vao vita ny lalaon’i Equateur sy i Mexi­que, avy hatrany dia na­metraka ny fialany i Sebastien Becca­cece. Ny tsy nivoahan’i Tchè­coslovaquie tao amin’ny vondrona nisy azy kosa no nialan’i Miroslav Koubek. Toy izany koa i Steve Clarke, ho an’i Ecosse. Niala tsiny sy nifona tamin’ny mpijery azy kosa i Hong Myung-bo, ho an’i Corée du sud, ary niala tamin’ny toerana maha mpanazatra azy, taorian’izay. Tsy niandry ela ihany koa i Marce­lo Bielsa, ho an’i Uruguay. Niavaka kosa ny an’i Tunisie, satria vao resy tamin’ny lalao voalohany dia efa nesorin’ny federasionina tonizianina, i Sabri Lamouchi.
Ankoatra izay, hiditra amin’ ny dingana ampahavalon-dalana ireo ekipa 16 tafita. Hisan­tatra izany, amin’ity sabotsy ity ny Lions de l’Atlas Maroc sy i Canada. Hitohy rahampitrso alahady izany ka hifandona i Paraguay sy i France ary i Bresil sy i Norvège. Anisan’ny lalao goavana ho toy ny famaranana kosa ny fihaonan’i Espagne sy i Portugal, ny alatsinainy ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: