Andrasana amin’ny herinandro ny fifampidinihana eo amin’ny ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Vonona hamaha ny olana ny fanjakana ka miantso manokana ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara.
Hihaona sy hifampidinika amin’ny sehatra tsy miankina ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny herinandro ho avy izao, raha ny nambarany nandritra ny fanokafana ny salon RSE & IDD, andiany faha-10 teny Alarobia, ny alakamisy teo. “Hihaona isika amin’ny herinandro, hifampidinika, hamaha ny olana ary hiara-kandroso”, hoy izy tamin’ny lahateniny. Misokatra amin’ny fifampidinihana aho. Tokony hifampiresaka isika ary tsy misy tsy voavaha amin’ny resaka. Miantso manokana ny Vondron’ ny orinasa eto Madagasikara (GEM) aho, hoy hatrany ny Praiminisitra.
Fanapahan-kevitra
Tohin’ny fanapahan-kevitry ny Gem, nivoaka ny 24 jona teo, izay nilaza fa hampiato amin’ny endriny rehetra ny fifampidinihana amin’ny fanjakana ity fanambarana nataon’ny lehiben’ny governemanta ity. Tsiahivina fa noho ny fisian’ny mpikambana sasany voatonontonona ao anatin’ny raharaha Cnaps-SMGD, izay enjehin’ny fitsarana sy lasibatry ny fampitam-baovao mihoa-pefy no anton’izany. Ankilany, efa naneho ny ahiahiny ihany koa ny Gem momba ireo tsy fahatomombanana amin’ny sehatra maro. Ankoatra izay, naneho ny heviny ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana fa “tsy manana lolompo amin’ny Gem ny Governemanta”. Nohamafisiny hatrany fa vonona hifampidinika amin’ny sehatra tsy miankina ny fanjakana. Ny sehatra tsy miankina izay andry iankinan’ny toekarena. Matoky ihany koa ny lehiben’ny Governemanta fa hiravina tsy ho ela ny raharaha, satria tsy hifanditra maharitra amin’ny sehatra tsy miankina ny fanjakana.
Henintsoa




