Hotanterahina rahampitso, amin’ny 12 ora atoandro, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny famerenana ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 20», Federaly II. Hifanandrina
amin’izany ny ekipan’ny Rosa Club de l’Imerina Antohomadinika sy ny Rugby Club des Soldats Anosibe RCSA. Samy nilaza ny andaniny sy ny ankilany fa efa narenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ny lalao farany teo, ary samy nanambara koa fa efa nanomana sy vonona tanteraka amin’io fiverenan’ny fihaonana eo amin’ny roa tonta io.
Tsara ny mampahatsiahy fa natsahatra teo amin’ny minitra faha-65 ny fifanandrinan’ny roa tonta, noho ny fahamaizinan’ny andro. Marihina fa izay tafavoaka mpandresy eo no hiakatra avy hatrany ao amin’ny Federaly I, «XXL Top 12», raha toa ka mbola hanao lalao sakana amin’ny laharana faha-11 Top 12, ny ekipa resy amin’izy ireo.
Ankoatra izay, hamarana ny lalao rahampitso, ny fifandonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina.
Fitia Randria




