Baolina Kitra – “Yas Coupe de Madagascar” : Nofaranan’ny Ajesaia ny dian’ny Disciples Fc

Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo, ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, Yas Coupe 2026. Maro ireo klioba sangany mbola manohy ny diany amin’ity fifanintsanana ity, anisan’izany ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany, ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara, ny Cosfa Miaramila, ny Fc Rou­ge, izay nandresy tsy niady satria tsy tonga ny mpifanandrina taminy. Nofaranan’ny Ajesaia kosa ny dian’ny Disciples Fc Vakinankaratra, rehefa resin’izy ireo tamin’ny isa, 3 no ho 2, omaly, tetsy By-pass. Mbola tsy afa-bela tamin’ny Ajesaia izany ny Discip­les Fc. Tsiahivina fa ry zareo avy ao an-taninkatsaka no nampiondrika an’ireto solontenan’i Vakinankaratra ireto, tany amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fifaninanana na­sionaly, Pureplay Football League (PFL). Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao etsy Andraharo anio, ny antsapaka amin’ny ampahefa-dalana.

Fitia Randria

Ireo voka-dalao rehetra
Cosfa (5) – (1) As PTT
Fc Rouge (3)-(0) Antimo Record “par forfait”
Uscafoot (0)-(3) AFCA
Babangy FC (1)- (2) CFFA
Elgeco Plus (2)-(0) As Vala­hara
Wagner (3)-(0)  Fosa Juniors “par forfait”
As Ste Anne (1)-(0) Clini­que Zanatany

Partager sur: