Tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha no natao ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ny laza adina ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC 2026 izay niarahan’ny minisitera telo miahy ny sehatry ny fanabeazana.
1 204 ny isan’ny mpiadina amin’ny BEPC ho an’ny foibem-panadinana telo, ao anatin’ny CEG Tanjombato. 29 ireo tsy tonga niatrika ho an’ny tapany maraina, nandritra ny taranja malagasy, nisantarana ny fanadinana, omaly, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny foibem-panadinana, Rakotojaona Andriamampianina Liva. Nizotra tsara tsy nisy olana ny fanadinana ary nanomboka ara-potoana. 10 ny efitrano nandraisana ny mpiadina ary roa isaky ny efitrano ny mpanara-maso, iray kosa ny mpitantsoratra. Tsy nanana olana tamin’ny taratasy fiantsoana sy ny karatra ny mpiadina fa feno avokoa izany. Ny taranja mathématiques sy ny français no miandry ny mpiadina ho an’ny andro faharoa.
Fiantohana ny fangaraharana sy fahadiovan’ny fanadinana izao hetsika izao. Fanehoana ny firaisankina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ihany koa. Namafisina ny fanentanana ireo tomponandraikitra rehetra hanaraka sy hanaja ny fepetra efa napetraka.
Nampahatsiahivin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny fisian’ireo bus maimaimpoana natokana hitaterana ireo mpiadina eto Antananarivo Renivohitra. Noraisina izany ho fanamorana ny fivezivezena mandritra ny fanadinana. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy hiantohana ny fahatongavan’ny mpiadina eny amin’ny ivontoeram-panadinana ara-potoana sy am-pilaminana. Miisa 84 ny « bus Foton » ho apetraka amin’ny zotra 21 eto an-dRenivohitra, mankany amin’ny ivontoeram-panadinana 20 (BEPC 15 sy BEP dimy). Ireo zotra efa mahazatra ihany no ampiasaina, tsy misy fanovana lalana vaovao. Fepetra takina ahafahana mitaingina ny bus ny fitondrana ny « convocation », mpianatra sy mpanaraka iray no mandeha miaraka.
Marihina fa nisokatra ho toerana fialantsasatra sy fisakafoana atoandro koa ny zaridaina Anosy, Ambohijatovo, Analakely, Antaninarenina…
Vonjy




