Nampahafantarina omaly, teny Ambatonakanga, ny tetikasa « Arche » izay hitondra fanavaozana ny fihariana mahakasika ny lohamenaka. Hampitombo ny fahafaha-miatrika amin’io seha-pamokarana io manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.
Marefo i Madagasikara noho ny fikorontanan’ ny toetr’andro, mihamafy ny fisehon’izany. Vokany, marefo ny seha-pamokarana lohamenaka. Miankina amin’ ny fambolena sy ny toetr’andro. « Zava-dehibe ny tetikasa Arche, hanampy ny sehatra hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro sady hanome tosika ny mpisehatra amin’ny famokarana izany. Anisan’ny mamelona ny toekarena eto Madagasikara », hoy ny mpandrindra ny birao nasionaly misahana ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny Redd+ ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Ravelomanana Lovakanto.
Tafiditra ao amin’ny tetikasa ny fanohanana ara-teknika ireo mpamokatra lohamenaka amin’ny fampiasana fomba famokarana maharitra tsy manimba tontolo iainana. Mila fanampiana fanokafana lalam-barotra nasionaly sy iraisam-pirenena koa izy ireo tsy hiankindoha fa hahaleo tena.
Hahazo tohana ara-bola
Rafitra efatra (SAE) misehatra amin’ny lohamenaka no nosafidiana hahazo tohana ara-bola ampiasaina eny ifotony, hikaroka ny mpamokatra madinika hampiana. Mpiara-miombon’antoka teknika amin’ ny minisitera, Onudi, Gehem amin’ny fanatanterahana ny tetikasa amin’ny hetsika roa lehibe ireo rafitra ireo.
Voalohany ny “Climaton”, fotoana iray hanafainganana tetikasa eo amin’ny faritra efatra dia i Matsiatra Ambony (Miarakap), Antananarivo (Nexta), Vakinankaratra (Isa Agribusiness) ary Vatovavy Fitovinany (Kentia), hoy ny mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny Miarakap, nisitraka tohana ara-bola sady filohan’ ny tambajotra nasionalin’ny rafitra fanohanana ny fandraharahana eto Madagasikara, Randriamaromanana Tandrify.
Vonjy




