Anisan’ny fihaonana andrandrain’ny rehetra, indrindra ny afrikanina, ny lalaon’ny Albiceleste, Argentine sy ny Faraonan’i Egypte. Hifampitana mafy, araka izany, i Lionel Messi sy i Mo Salah. Tsontsorimamba isarahana ny an’ny roa tonta amin’ity.
Hifarana anio talata, ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, tanterahina any Canada, Mexique ary Etats-Unis. Anisan’ny lalao hanakatona izany ny an’ny Albiceleste, Argentine sy ny Faraonan’i Egypte. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Atlanta. Ekipa tsy dia mihaona matetika ny roa tonta. Lalao ara-pirahalahiana tamin’ny taona 2008 no nikatrohan’izy ireo farany, tao amin’ny Kianja Cairo, Egypte. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 0, ry zareo argentin, tamin’izay. Ity izany no tsontsorimamba isarahana eo amin’izy ireo.
Anisan’ny arahin’ny rehetra maso, amin’ity, ny fifanandrinana eo amin’i Messi sy i Mo Salah. Samy kalaza ao anatin’ny ekipany izy roa lahy ireto ka ho hita eo izay tena mahery, hitondra ny ekipany any amin’ny fandresena, hiakarana eo amin’ny ampahefa-dalana. Raha ny tombana ataon’ireo manam-pahaizana amin’ny baolina kitra, manome salanisa 70 % ny Argentin ho mpandresy izy ireo. 10 % monja ho an’i Egypte. 20 % no mahita ny lalao ho tonga hatrany amin’ny fanalavam-potoana. Hitantana ny lalaon’izy ireo, ilay frantsay, i François Letexier, izay mpitsara mendrika nandritra ny “ligue 1” tany France, ny taona 2023 sy 2024.
Ankoatra izay, mpampiantrano roa no efa nangoron-damba dia i Canada sy i Mexique. Ry zareo meksikianina, izay resin’i Angleterre, 3 no ho 2. Tsiahivina fa mpilalao telo lahy no mitarika eo amin’ ny famonoam-baolina, dia i Haaland (Norvège), i Mbappé (France) ary i Messi (Argentine). Samy nahatafiditra baolina 7 avy izy ireo.
Tompondaka




