Nanomboka omaly, manerana an’i Madagasikara, ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana Brevet d’études professionnelles (BEP) sy Certificat de fin d’apprentissage (CFA). Tao amin’ny LTP Ampefiloha no nanatanterahana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany. Nitarika izany ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ireo minisitra roa misahana ny fampianarana. Lalam-panadinana roa no hatao amin’izany.
Taorian’ilay tranga fikasana haka ankeriny ireo zaza tetsy Ilanivato, nidina ifotony nitondra fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy ho an’ireo ankizy sy ny fianakaviana voakasika ireo mpiasa sosialy avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina Analamanga. Nisy fihaonana sy fifanakalozana tamin’ireo ankizy sy ny ray aman-dreny, narahina fanohanana ara-tsaina. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra rehetra hiantohana ny fiarovana ny ankizy sy ny fanohanana ireo fianakaviana voakasika.
Hisy fidinana misongadina ny maripana amin’ny ilany atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Manodidina ny 2 – 23 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 16 – 34 °C ny tolakandro. Hahazo vahana ny zavona maraina amin’ny afovoantany, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Handrahona sy hanjombona, mety harahina erika manify indraindray ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Tombanana hihamaina tsikelikely izany manomboka ny alakamisy.




