Airtel Africa : Ahodina indray ny 94% ny fako

Manana paikady natokana ho an’ny fitantanana ny angovo sy ny fampandrosoana ara – toekarena ny orinasa Airtel Africa, miparitaka aty amin’ny firenena 14 aty Afrika, ary anisany i Madagasikara. Miten­tina 9,1 tapitrisa litatra ny ga­zoala laniny ny taom-piasana 2025-2026. Nambaran’ny tale jeneralin’nyAirtel Africa, Sunil Taldar, fa anisan’ny nahazoana io vokatra io ny fampihenana ny fandaniana ny angovo. Ao anatin’izany ny fampiharana ny fihariana ara-toekarena mihodina, toy ny fampiroboroboana ny fanodinana akora efa avy nampiasaina, ohatra.
Nomarihin’i Sunil –Taldar, fa fototry ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika ny lafiny fifandraisan-davitra. Porofo anehoan’izany ny fisian’ny tambajotra Airtel, mahenika, mampiasa azy ny 81,9% ny mponina amin’ireo firenena 14 aty Afrika , ary anisany i Madagasikara.

Njaka A .

Partager sur: