« Circuit Training » 2026 : Lasan’i Faby sy i Nantenaina ny laharana voalohany

Nafana dia nafana ny tao amin’ny Kianja mitafo Maha­ma­sina, nandritra ny fifaninanana “Circuit Training” andiany voalohany, nokarakarain’ny Zaka Rise Mada, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 80 ny isan’ireo mpifaninana tamin’izany.  Nahi­tana fanazaran-tena maro, toy ny pompes, squats, burpees, sauts sur box (jump box), corde à sauter ary sprints ny fifanintsanana. Mpi­jery maherin’ny 250 no tonga nanohana sy nampahery ireo mpifaninana teny an-toerana. Teo amin’ny sokajy vehivavy, Razafinimanana Fabiola na i Faby no nibata ny laharana voalohany, taorian’ny nahavitany ny fotoana tsara indrindra tamin’ireo lalam-pifaninanana dimy (tsy nisy ny jump box). Nahazo ny loka lehibe mitentina 2 tapitrisa Ariary izy, niampy fanomezana maro avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, i Jeff Nantenaina no nanjakazaka tamin’ny fifaninanana ka nahazo ihany koa ny loka lehibe 2 tapitrisa Ariary. Marihina fa nahazo valisoa tamin’ity fifanintsanana ity ireo atleta folo voalohany isan-tsokajy.
Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika. Nahazo fanazavana sy toromarika mazava mialoha rahateo ireo atleta, ary nampiasaina ny VAR na ny fitsarana amin’ny horonantsary, handinihina sy hijerena ireo fitarainana mety ho nisy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hisy ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy.

Fitia Randria

Partager sur: