Fandaminana ny fifamoivoizana : Hofoanana ireo fiantsonana maromaro

Ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, nametraka lamina vaovao ny fiadidiana ny tanàna. Vahaola­na dinihina ny fanafoanana sy famindrana ny fiantsonan’ny taxi-be sasantsasany mba ha­namorana ny fivezivezen’ny fiara sy hampihenana ny fitohanana. Voakasik’izany ny eny Ankadimbahoaka, Tsim­ba­zaza ary sampanan’ny Fa­sankarana
Efa nisy ny fanandramana mialoha nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Kaominina Antana­na­rivo Renivohitra (CUA), mahakasika ny fanatsarana ny fifamoivoizana.
Tanjona ny hanafoana sy hampihena, araka izay azo atao, ny fitohanana eny amin’ireo faritra ireo. Hanatsara ny fivezivezen’ny mpampiasa lalana rehetra. Tokony hanaraka ny toromarika omen’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana ny mpampiasa lalana rehetra, hahafahan’ny andrana mizotra am-pilaminana sy hahazoana vokatra tsara.
Hisy hatrany ny fampahafantarana ny vahoaka momba ny fanapahan-kevitra sy ny daty hanatanterahina ireo fa­novana rehefa vita ny fandinihana sy ny fanomanana rehetra, araka ny fanazavana avy amin’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra.
Hanampy betsaka ny fialan’ny fitohanana lavareny mandany fotoana ary miteraka fahatarana ho an’ny mpiasa sy mpianatra ny fanatsarana hoentina.

Tatiana A

Partager sur: