Hetsika « Call center » sy « Digital » : Maromaro ireo tanora horaisina hiasa avy hatrany

Hetsika miavaka sy manokana. Efa nanomboka omaly, etsy amin’ny tokotanin’ny La­pan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny zoma izao ny «Salon de la rélation client et des métiers digitals».
Nambaran’ny mpikarakara, ZRK, Zina Rakotoseheno, fa hiavaka ity andiany faharoa ity. «Fantatra eo no ho eo na ho voaray avy hatrany na tsia ireo tanora hitady asa», hoy izy teny Tanjombato, omaly. Nambarany fa nampiana ny resaka «Digital» ny hetsika tamin’ity noho ny fihazakazaky ny teknolojia amin’izao fotoana. Maro, araka izany, ireo orinasa misehatra amin’ny «Call center» sy ny «Digital» ho avy amin’ny hetsika. Handray ireo tanora vonona hiditra eo amin’ ny sehatry ny asa izy ireo ka ao ireo hanao izany any amin’ny biraon’ny orinasa aorian’ny dinidinika amin’ireo fotoana ireo. Hisy koa ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra ary koa ny fanofanana sy ny fampianarana, araka ny nambarany hatrany. «Entanina koa anefa ireo liana na koa efa miomana eo amin’ny sehatry ny asa mba hijery sy hahita ny asa mety hataony, aorian’ny fahafahany fanadinana na koa ny fahavitan’ny fianarany. Aha­fahan’izy ireo mandray fanapahan-kevitra izany», hoy izy.
Tombanan’ny mpikarakara fa maherin’ny 5 000 ireo tanora ho avy eny an-toerana amin’ ireo andro telo ireo. Miisa 20 kosa ireo tranoheva haneho ny momba azy amin’izany. Samy mitady tanora hiasa avokoa izy ireo amin’izao he­tsika izao. Noferana koa anefa ny isan’ireo orinasa mba hanomezana vahana bebe kokoa ireo orinasa, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa maherin’ny 4 000 ireo mpitsidika tamin’ny andiany voalohany ary voaray niasa avokoa ny 42% amin’ireo nitady asa tamin’izany.

Synèse R.

Partager sur: