INDRAY MIJERY

Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra, hitohy anio, any amin’ny tapany atsimon’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana, ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Toamasina ary ny eo anelanelan’i Maha­janga sy Analalava. Fampitandremana miloko mena ho an’Ampanihy hatrany amin’ny tanjona Vohimena, tanjona Bobaomby hatrany Toamasina ary Mahajanga hatrany Analalava.
Notanterahin’ny Holafitry ny infirimiera sy ny rasazy, niaraka tamin’ny kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana, ny hetsika tolotra ara-pahasalamana midina any amin’ny fiarahamonina, ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny fokontany Morafeno Avaratra sy Ambari­va­try no nanaovana izany ka nahafahan’ny mponina nisitraka maimaimpoana tolotra ara-pahasalamana maro samihafa, toy ny didim-poitra, fanatanterahana vakisiny, fizarana Vitamine A, fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo, sns.
Fotodrafitrasa natao hanamafisana ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza, indrindra amin’ny fotoanan’ny rivodoza, any amin’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy ary Atsimo Atsinanana ny HUB logistique ao Manakara. Ny Pam no tompon’antoka tamin’ny fananganana azy avy amin’ny alalan’ny famatsiambolan’ny Vondrona eoropeana ary izy ireo ihany koa no niandraikitra izany teo aloha. Ankehitriny, natolotra ny BNGRC ny fitanantanana azy amin’ny maha tomponandraikitra voalohany eto Madagasikara. Vita ny famindrana ny fitantanana ny fotodrafitrasa teo amin’ny chef de bureau ny Pam Manakara sy ny chef logistique ny BNGRC izay natrehin’ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Partager sur: