Efa any Etazonia ny kaomisera Harinaivo Fanomezantsoa Andrianirina, voafantina handray anjara amin’ny “International Visitor Leadership Program” (IVLP). Hiompana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary izy.
Mandritra ity volana jolay ity ny kaomisera Andrianirina, hitsidika tanàna maro any Etazonia, anisan’izany i Washington, D.C., Baltimore, Denver, Portland, Medford, ary Boston.
Handray anjara amina dinika iarahana amin’ireo manampahaizana amerikanina sy avy amin’ny firenena maro hafa mpandray anjara ny tenany. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary sy ireo tambajotran-jiolahy iraisam-pirenena izy.
Ny programa IVLP izay fandaharanasa fifanakalozana matihanina an’ny departemantam-panjakana amerikanina miantefa amin’ireo tanora mpitarika vao misondrotra maneran-tany. Manome sehatra azy ireo hifandray sy hanangana fiaraha-miasa maharitra amin’ireo mpiray sehatra any Etazonia.
Tatiana A




