Mondial 2026 : Nangoron-damba avokoa ireo mpampiantrano

Miato ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», ho an’ity andro alarobia ity. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 8 tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana. Firenena goavana maro no nihintsana. Tsy misy tafita ihany koa ireo mpampiantrano miisa telo.

Tapitra omaly ny dingana ampaha-16-ndalana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, tanterahina any Mexique sy Canada ary Etat-Unis. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo firenena valo hiatrika ny ampahefa-dalana, izay ha­nom­­boka rahampitso. Nitran­ga ny vokatra tsy nampoizina tamin’ity “Mondial 2026” ity. Firenena sangany maro, ma­nerana ny vazan-tany efatra no efa nody avokoa. Anisan’ izany, ny Manschaft Allema­gne, ny Oranjes Pays-Bas, i Uruguay sy ny Seleçao Bresil ary i Portugal. Eo koa ireo ekipa afrikanina toa an’i Senegal, tompondakan’i Afri­ka farany.
Ankoatra ireo, efa nangoron-damba avokoa ireo firenena telo mpampiantrano. Mari­hina fa maro ihany koa ireo mpilalao kalazalahy no ity “Mondial 2026” ity ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany farany ho azy ireo. Ani­san’ny namarana izany, ilay brezilianina, i Neymar sy ilay portioge, i Cristiano Ronaldo. Eo koa ilay kroaty, i Modric ary ilay sénégalais, i Sadio Mané sy ilay egyptianina i Mo Salah ary ilay mpiandry tsatoby alemà, i Neuer.
Raha hiverenana ny lalao natao ny alatsinainy lasa teo, anisan’ny fihaonana be mpiandry indrindra ny an’i Portugal sy i Espagne. Lavon-dry zareo espaniola, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny ekipan’i Cristiano Ronaldo. Baolina tokana, tafiditr’i Mikel Merino, tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 1 mn.
Tetsy ankilany, nomontsanin’i Belgique, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 1 ny mpa­m­piantrano 2026”. Nosazian-dry zareo belza teo an-kianjany sy teo anoloan’ireo mpanohana azy ry Bekintana. Tsiahivina fa hanomboka rahampitso ny ampahefa-dalana ka hisantatra izany ny fihaonan’i France sy i Maroc.

Tompondaka

Partager sur: