Pancrace : Handray ady iraisam-pirenena i Madagasikara

Hisy fifanintsanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara, amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa nisy ny fijerevana an’ireo mpikatroka mendrika afaka hiatrika izany.

Raha tsy misy ny fiovana, hampiantrano ady iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace, i Ma­dagasikara,  ny volana novambra izao. Nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commision malgache de pancrace et submission), ny kolonely Zafin­dra­naivo Mely izany, nandritra ny fifaninanana “Open de Ma­dagascar”,  natao ny faran’ny herinandro teo,  teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Nandritra io fifaninanana io ihany koa no nijerena sahady izay mpikatroka mendrika afa­ka hifaninana amin’ity ady iraisam-pirenena ho avy ity. Tsia­hivina fa katrok’ady mano­di­di­na ny 40 teo no nitranga, tamin’ny “Open de Madagascar”,  ny sabotsy lasa teo ity. Ni­akatra ny haavo teknika araka ny nambaran’ny kaomisiona teknika ary tsy latsa-danja amin’ny mpikatroka any ivelany ny mpikatroka malagasy. Nahitana “frappe au sol” rahateo ny ady, nanomboka tamin’ity fifaninanana ity izay hita fa voafehin’ny Malagasy. Efa nisy ny fiofanana natao nialoha ary mbola hanohy izany ny CMPS, indrindra ho an’ny any amin’ny faritra mba hampitoviana lenta ny mpikatroka ma­nerana ny Nosy.
Notsiahivin’ny kolonely Zafindranaivo Mely fa tapitra amin’ity taona 2026 ity ny fotoam-pitantanany ka ity ady iraisam-pirenena ity sy ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­da­gasikara, hatao ny volana de­sambra izao, no hetsika goavana mbola miandry azy ireo. Ni­saotra ny fitondram-panjakana ny CMPS tamin’ny fanohanana ary mbola mangataka izany ho fiatrehana ireo fandaharam-potoana goavana ho avy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: