Efa miasa tanteraka ny fotodrafitrasa vaovao mandray ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nitombo ny isan’ny mpandeha afaka karakaraina sy ny fiaramanidina mivezivezy.
Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny efitrano malalaka « hall », mikarakara ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny Ivato. Mahatratra 6 miliara Ar (1,2 tapitrisa euros) ny fampiasam-bola nataon’ny Ravinala Airports, mitantana azy, nanavaozana ireo fotodrafitrasa. Nohalebiazina ny habeny, nampitomboina ny pitsopitsony, hikarakarana ny mpandeha. Afaka mikarakara mpandeha miisa 216 isan’ora, raha 120 fony teo aloha. Nampitomboana avo roa heny ny toerana fisavana ny mpandeha. Mirefy 760 m2 ny efitrano fiondranana, ahitana seza 236, raha 151 tany aloha. Miisa 4 ny varavarambe, raha 2 tany aloha.
Tanjon’ny Ravinala ny hanatsarana ny tolotra omena ny mpandeha avy any ivelany tonga eto Madagasikara sy ny mpanjifa mivezivezy eto an-toerana. Raha aravona, nitotaly 21 876 ny fivezivezen’ny fiaramanidina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo, ny janoary hatramin’ny jona 2026, ka tao amin’ny zotra anatiny, Tarmac 1, ny 7 737, manome taha 35%. Zotra anatiny sahanin’ny Madagascar Airlines ny 91% amin’ireo, ary zotra manokana ny ambiny. Amin’izao fanatsarana izao, afaka mandray karazana fiaramanidina lehibe ny Tarmac 1. Toy ny Airbus (A220, A330, A340, A340-300, A350,…), ny hafa (Boeing 737, 747, 757,767, 777,…, ny ATR 72), ny fiaramanidina manokana na helikoptera (C-17, IL-76, Mi-26).
Nitombo 34% ny mpandeha
Nanomboka ny taona 2016 no nitantanan’ny Ravinala Airports ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Tanjona napetraka hatramin’izay ny hisian’ny lafiny zotra ara-piaramanidina manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanomezana antoka ny mpandeha sy ny mpanjifa. Hanamarinana izany, nitombo 34% ny isan’ny mpandeha nivezivezy tao amin’ny seranan’ Ivato, lasa 1 35 000, raha 800 000, tao anatin’izay 10 taona izay, na teo aza ny tranga Covid-19.
Njaka Andriantefiarinesy




