Tetikasa Flyover : Hanomboka amin’ny 29 jolay ny asa

Hanomboka amin’ny 29 jolay ho avy izao ny asa fanatanterahana ny tetikasa Flyover. Mizara roa mavaza tsara izany. Voalohany, ny fananganana tetezana vaovao mitsingevana, eo Anosizato, antsoina hoe Flyover. Faharoa, ny fanitarana ny lalana manodidina ny tetezana vaovao. Tsy maintsy tsinjovina ny lafiny tontolo iainana.
Misy ny fampahafantarana ny besinimaro ity tetikasa hamahana ny olana amin’ny fifamoivoizana ity. Miaraka misalahy ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny fanajariana ny tany, ireo kaominina voakasiky ny tetikasa. Efa misy ny fifampidinihana amin’ireo mpisehatra voakasika sy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.

Njaka A.

Partager sur: