Leo ny asan-jiolahy ny fokonolona hany ka lasa tsy te hitsitsy manoloana ny fahatrarana jiolahy manao izany. Ny alin’ny alahady teo, jiolahy iray saron’ny fokonolona nanendaka tao Tsarakofafa. Nanambana antsy raim-pianankaviana iray tratra alina hamonjy fodiana izy. Vokany, na dia niezaka nitsoaka aza ilay jiolahy dia tsy namelan’ny fokonolona fa nifanenjehana. Tratra ihany ny farany ka tsy namelan’ny fokonolona. Samy nidaroka nanao izay danin’ny kibony ireo fokonolona mandra-pahatongan’ny polisy ka tsy tana ny ainy. Hatreto, mbola ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly be ny vatana mangatsiakany.
Sajo




