Hitohy anio indray ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa valo sisa mbola manohy ny fifaninanana. Tsontsorimamba isarahana avokoa, araka izany, ny lalao rehetra. Maroc irery sisa ny solontena afrikanina.
Hotanterahina manomboka anio, ny lalao voalohany amin’ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka meran-tany “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Raha tsiahivina, valo sisa ireo mbola mandray anjara. Manana solontena enina ny kaontinanta eoropeanina raha iray avy kosa ny an’i Afrika, amin’ny alalan’i Maroc sy i Argentine ny an’i Amerika latina.
Hisantatra ny fihaonana, amin’ity alakamisy ity ny Lions de l’Atlas Maroc sy ny Les Bleus France. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Boston ao Foxborough. Lalao tena andrasan’ny rehetra izy ity fa ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana. Azo ambara fa lalaon’ny mpisakaiza izy ity, satria maro ireo mpilalao ao amin’ny andaniny sy ny ankilany no miray klioba ary diso mifankahalala tsara sy efa nifandray an-taonany maro, raha tsy hilaza afa-tsy i Mbappé sy i Hakimi ary i Dembelé.
Na eo aza izany fifandraisana akaiky eo amin’izy ireo izany, samy hiaro ny fireneny avy izy ireo. Hanala vela amin-dry zareo frantsay aloha hatreto ny maraokanina. Ny Lions de l’Atlas no hany ekipa afrikanina indroa tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana. Teratany argentin avokoa ireo mpitsara hitantana ny lalaon’ny roa tonta. Hitsoka ny kiririoka eo afovoany i Facundo Tello, miaraka amin’i Juan Pablo Belatti sy i Gabriel Chade ary ny mpitsara fahefatra, hahitana an’i Dario Herrera.
Tsiahivina fa efa nitsara ny lalaon’i Maroc sy i Portugal, i Facundo Tello, nandritra ny “Mondial 2022” raha sambany kosa izy vao hitsara ny lalao hataon’i France. Ity no lalao fahenina hotsarainy, tamin’ity “Mondial 2026”, ity.
Tompondaka




