fanofanana arakasa : Miara-miasa ny minisitera sy ny JICA

Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia ny « Record of discussion » mahakasika ny tetikasa fiaraha-miasa ara-teknika ny « Projet de développement des ressources humaines dans le secteur de l’industrie minière ».
Tanjona ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa ny hampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana ary hanatsarana ny fahafahan’ny tanora malagasy miditra amin’ny sehatry ny asa, araka ny fanazavana.
Nosoniavina nandritra izany ny fifanarahana teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, notarihin’ny Dr Andriamampandry Todisoa Manampy sy Odawara Kosuke, solontena maharitry ny Jica eto Mada­gasikara.
Tafiditra ao anatin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny minisitera sy ny Jica izany ary mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanavaozana (PGE-R) sy ny Plan d’Action Stratégique (PAS) ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ary ny laharam-pahamehana napetraky ny Ticad.

Vonjy

Partager sur: