Anisan’ireo olo-malaza nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatra ara-kolontsaina eto Madagasikara sy tany ivelany (La Réunion, France, …), indrindra eo amin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rijamanitra. Nahavita nametraka ny maha izy azy sy ny vina entiny izy, ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny dihy eto amin’ny firenena. Tsy nifantoka tamin’ny fisehoana an-tsehatra ihany izy fa nandray andraikitra lehibe koa tamin’ny fampitana fahalalana sy fanofanana taranaka vaovao, indrindra amin’ ny maha filoha mpanorina ny “Ecole de danse” Dih’Art Madagascar sy filohan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena azy. Ankehitriny, telopolo taona niainana tamim-pitiavana, faharetana ary fahafoizan-tena ho an’ny zavakanto. Vavolombelon’ny lalana nodiaviny, lalana feno asa mafy, fahafoizan-tena ary fitiavana ny zavakanto ireo 30 taona an-tsehatra. Nanomboka tamin’ny dingana voalohany ka hatramin’ny sehatra lehibe eto an-toerana, dia hita taratra hatrany ny fahavononany hampiroborobo ny kolontsaina sy ny talenta malagasy. Tsy fankalazana tsotra izao ity 30 taona ity, fa fankasitrahana lehilahy iray nanolo-tena tanteraka ho an’ny zavakanto, ary loharanon’aingam-panahy ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy. 30 taona an-tsehatra, ary mbola mitohy ny tantara.
Mi.Raz




