Tetikasa Symbiotic-CMK: Hampiasaina amin’ny serasera ny teknika maoderina

Hatsaraina amin’ny alalan’ny tetikasa Symbiotic amin’ny fitantanana ny Vondrona Faritra Arovana Mahavavy-Kinkony (CMK), faritra Boeny, tanterahin’ny Asity Madagasikara ny fomba maoderina amin’ny lafiny serasera sy ny fampitam-baovao. Dinidinika niarahana tamin’ny tomponandraikitry ny serasera Asity Madagasikara, Razafindrakoto Mamonjisoa.

Gazety Taratra (-) : Inona no tena atao amin’ny tetikasa Symbiotic ?

Razafindrakoto Mamon­jisoa (*) : Tetikasa irahana amin’ny alemà ity tetikasa ity. Homen-danja ny lafiny serasera, ny fanangonana ary ny fampitam-baovao satria nisy ny lesoka tany aloha. Homena vahana ny vehivavy sy ny tanora amin’ny fampahafantarana ny harena voajanahary ato anatin’ny Faritra Arovana Mahavavy-Kinkony (CMK). Fan­tarina ny olana sy ny vahaolana. Natsangana ny mpisehatra eny ifotony (age­nts communautaires) miisa 6 ato anatin’ny Asity, sy ny Mpitarika vondrom-piarahamonina (Leaders communautaires) miisa 12, ahitana raiamandreny, vehivavy, mpa­m­pianatra, tan­tsaha fitaratra, sns. Ani­san’ny andraikitr’izy ireo ny fanangonam-baovao sy ny fampitam-baovao, ka efa nisy fiofanana mahakasika ny fa­naovan-gazety, ny 1 hatramin’ny 3 jolay teo, teto Mitsinjo.
Ho vatsiana fitaovana maoderina izy ireo hanatsarana ny kalitaon’ny asany.

-Manao ahoana ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina

*Tafiditra ao anatin’ny tetikasa koa ny fananganana ny Foibe fiofanana ara-pamokarana eto Ambaninjanahary. Nosafidiana ho eto ny toerana, satria efa misy ny Voly tahaka, hampiharana ny fambolena agro-biolojika. Izany hoe, tsy mampiasa ny akora simika. Akaiky ny Ala maina Tsiombikibo, izay tena mbola matevina sady arovana mafy. Tanjona ny hampitana any amin’ny toeran-kafa ato amin’ny CMK, izay fomba mahomby amin’ny famokarana.

-Manao ahoana ny fanatanterahana ny asa ?

*Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Fikamban’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny mpanao gazety any Mahajanga sy eto Mitsinjo, handrindrana izay fanangonana sy fanapariahana ny vaovao izay. Ho an’ny ety ifotony, misy koa ny fanabeazana ara-tontolo iainana atao any an-tsekoly. Tanjona ny hananana vaovao mari-pototra sy tsara kalitao ary haparitaka hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsi­a­hivina fa firenena 5 (Mada­gasikara, Kenya, Ethio­pia, Indonezia, Kyrgyzstan) no misitraka ny tetikasa Sym­biotic, ka hisy ny fifampizarana traikefa sy fanao mahomby. Haharitra hatramin’ny taona 2030 ny tetikasa.

Nanangona :
Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: