Arenina ny tetezana eny Mandroseza. Nesorina ireo arofanina vy, izay efa nilatsaka ary efa atao ny famerenana azy amin’ny laoniny. Eo am-pemetrahana ny fototra hiorenan’ny arofanina, hiarovana ny sisin’ny tetezana. Miara-misalahy manatanteraka ny asa ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny kaominina CUA sy Alasora.
Natao ny 6-8 jolay teo tany Banjul Gambia, ny fivoriambe Cucus Afrikana. Fihaonambe iraisam-pirnena miompana amin’ny fampiroboroboana an’Afrika amin’ny alalan’ny fampiasam-bola, ny fanavaozana ary ny fampandrosoana iombonana. Fivorian’ireo governora afrikanina eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena. Nodinihina ny laharam-pahamehana ara-toekarena iombonan’Afrika.
Atao « béton » ny ampahan-dalana RN8 Bis, mampitohy an’i Marovoay sy Ambolomoty. Hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny fahavitan’ity lalana ity, indrindra ny vokatra ara-pambolena toy ny vary sy ny voamaina, fahita any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny hampifandraisana ireo tanàna, fokontany, kaominina, distrika ao anatin’ny faritra Boeny. Sady hisitrahan’ny mponina fotodrafitrasa sy lalana maharitra, manome antoka mandritra ny taona.




