Anisan’ny lalao hanamarika ny ampahefa-dalana, anio, ny fifandonan’ny La Furia Roja Espagne sy ny Diables Rouges Belgique. Fanintelony amin’izao ny roa tonta no hidona eo amin’ny sehatry ny “Mondial”. Samy nahazo fandresena iray avy. Eto no fisarahan-dalana ho azy ireo.
Hotanterahina anio zoma, ao amin’ny Inglewood Los Angeles, ny lalao ampahefa-dalana faharoa, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Hifampitana amin’izany ny Diables Rouges Belgique sy ny La Furia Roja Espagne. Ekipa tsy dia mihaona matetika ny roa tonta. Raha teo amin’ny sehatry ny «Mondial», indroa ihany no nikatroka ireto ekipa roa ireto. Samy nahazo fandresena iray avy ny roa tonta, tamin’izany. Raha tsiahivina, ny taona 1986, tany Mexique, resin’i Belgique teo amin’ny ampahefa-dalana ny Espaniola, tamin’ny alalan’ny “tirs au but” rehefa nisaraka ady sahala 1 sy 1. Ny taona 1990, tany Italie, resin’i Espagne, 2 no ho 1 tao anaty lalaom-bondrona ny Diables Rouges. Ity izany no tsontsorimamba hisarahana eo amin’ny roa tonta.
Fantatra fa hijoro avokoa ireo mpilalao mandrafitra ny La Furia Roja, amin’ity. Anisan’izany ilay lohalaharana Yamine Lamal, izay tao anatin’ny tsy fahasalamana nandritra ny fifanintsanana. Marihina fa i Espagne no hany ekipa tsy mbola nidiram-baolina, hatreto.
Ho an’i Belgique kosa, tsy ho ao anaty lisitra i Amadou Onana, irakiraka. Fantatra fa voadona teo amin’ny lohaliny ny tovolahy ka tsy mbola sitrana. Ankoatra azy, tsy mbola hay na hijoro na tsia i Jeremy Doku. Anisan’ireo handrafitra ny Diables Rouges, i Courtois, eo amin’ny fiandrasana ny tsatoby. Handrindra ny fanafihana kosa i Lukaku sy i Trossard, ampian’i De Ketelaere.
Tompondaka




