Mbola baraingo ny mety hampandeha ny lalaon’ny Ajesaia sy ny Wagner FC, hatao any Ambovombe. Raha ny fantatra, mety tsy afaka ho any an-toerana ny Ajesaia.
Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba Ajesaia, fantatra omaly fa mety tsy afaka hanatrika ny lalao ampahefa-dalana izay hihaonan’izy ireo amin’ny Wagner FC, ry zareo. Tsy mbola fantatra mazava ny tena antony sy ny tsy andehanan’izy ireo. Tsy mbola misy vaovao ofisialy navoakan’ity klioba ity koa mahakasika izany.
Raha ny fanampim-panazavana azo tamin’ity mpampita-vaovao ity ihany, manaiky ny hilalao ny Ajesaia raha toa ka afindra any Ihosy ny fihaonana. Raha mbola hajanona any Ambovombe kosa izany, tsy hilalao ry zareo. “Efa nisy ny taratasy fangatahana hanemorana ny lalao na hamadihana azy any Ihosy. Raha mbola any Ambovombe ny lalao, azo lazaina ho mifarana ihany ny taom-pilalaovana ho anay amin’ity taona ity. Saingy mbola miandry ny vaovao farany izahay”, hoy hatrany ity loharanom-baovao iray ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa io fandaharan-dalao io dia vokatry ny antsapaka, natao ny alatsinainy teo, teny Andraharo.
Hizotra tsara
Ankoatra izay, hizotra tsara ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny AS Ste Anne, ary ny CFFA sy ny Cosfa. Samy handeha eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus Stadium By-pass, moa ireo lalao ireo, saingy ny ora no tsy hitovy. Ny ekipan’ny FC Rouge kosa hanafika ny AFCA any Antalaha. Ampahafantarina ihany fa hatao ny 25 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao famaranana amin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Yas Coupe 2026” ity.
F.R




