fampindramam-bola ; Hananganana fiaraha-miasa ho an’ny rehetra

Nanomboka omaly, hitohy anio, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foaran’ny fampiasam-bola sy ny fampindramam-bola (Foire aux crédits et investissements), andiany faharoa. Sehatra iray hanomezana toerana, hifanakalozana hevitra ary hananganana fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-bola, mpampiasa vola, mpandraharaha ny hetsika, raha ny fanazavana. « Fitambaran’ny vina sy tetikasa ananan’ireo mpiahy sy mpanohana ary mpiara-miombon’antoka amin’ny mpikarakara ny foara », hoy ny tale jeneralin’ny Assist & Co, Rojo Maharo, mpikarakara ny hetsika, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa antenaina ny hitomboan’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpandraharaha. “Tanjona ny hananganana rafitra ara-bola iray mitambatra, maoderina ary maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena », hoy kosa ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Razafindrakoto Zo, nandritra ny lahateniny. Nohamafisiny ihany fa mitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tontolo mifehy ny sehatra ara-bola mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-toekaran’i Madagasikara. Marihina fa niahy ny hetsika ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Niaraha-niasa tamin’ny Orange Digital Center, BNI, SAE sy ny maro hafa. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “fitantanam-bola sy teknolojia” izany.

Mino

Partager sur: