Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Lions de l’Atlas Maroc, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2026». Nofaranan’i France ny lalan-dry zareo. Na resy aza ny Maraokanina, mitondra volabe mody an-tanindrazana.
Nandao ny “Mondial 2026” ny Lions de l’Atlas Maroc, rehefa lavon’i France teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Niondrika teo anatrehan’ny frantsay, tamin’ny isa 2 no ho 0, izy ireo, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny Kianja Boston, Foxborough. Baolina roa, tafiditr’i Mbappé teo amin’ny faha-60 sy ny an’i Dembelé, minitra faha-66, no nampody ny ekipa maraokanina.
Tsy nahatratra ny tanjona hiatrehana ny manasa-dalana, araka izany, izy ireo ary tsy nahavita nandingana ny zava-bitany tamin’ny “Mondial 2022”, tany Qatar. Na eo aza izany, anisan’ireo ekipa valo mendrika indrindra ny Lions de l’Atlas. Araka ny lalàna napetraky ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa), ny amin’ny valin-kasasaran’ireo ekipa amin’ity “Mondial 2026” ity. Hahazo lelavola 19 tapitrisa dolara ireo ekipa rehetra tonga eo amin’ny ampahefa-dalana. Anisan’ireo efa misitraka io vola io izany ny maraokanina. Homena 50 tapitrisa dolara kosa ny firenena ho tompondaka maneran-tany, raha 33 tapitrisa ny an’ny faharoa. 29 tapitrisa dolara ny an’ny fahatelo, raha 27 tapitrisa dolara ny an’ny fahefatra. 15 tapitrisa dolara ny an’ny ekipa faha-9 ka hatramin’ny faha-16. Hitondra vola 11 tapitrisa dolara ny laharana faha-17 ka hatramin’ny faha-32 ary samy hahazo 9 tapitrisa avy kosa ireo firenena 16 ambiny. Tsy misy ekipa afrikanina intsony, araka izany, manohy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.
Mandra-piandry izany, hitohy rahampitso alahady ireo lalao ampahefa-dalana roa sisa. Anisan’ny hifanandrina i Angleterre sy i Norvège ary i Argentine sy i Suisse. I Argentine irery ihany koa sisa ny hany solontenan’i Amerika latinina.
Tompondaka




