Vitsy ny velarantany midadasika fa kisilasila ny ankamaroany any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy. Ampiharina ny teknika kipahy, hatao kitohatohatra ny tany, ahafahana mamboly, ampiasana fitaovana mekanika.
Taorian’ny fihaonana tetsy Anosy, nitsidika ny vala tahaka, amina velarantany mirefy 50 ha any Ranomafana Atsinanana, distrika Brickaville, faritra Atsinanana, ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny 9 jolay teo. Niaraka taminy koa ny solontenan’ny orinasa Com’On Holding. Tafiditra ao anatin’ny ezaky ny fanjakana malagasy ny hanavao ny fomba fambolena, entina hampitomboana maharitra ny famokarana vary, ity fidinana ifotony ity. Mifototra amin’ny fampiharana teknika vaovao sy maoderina ny fanajariana ny tany sy ny fomba famokarana izany. Hampiasana fitaovana mekanika, hanatsarana sy hahazoana vokatra betsaka sady mahomby.
Nojerena ny fanombohana ny asa fanajariana ny tanety amin’ny alalan’ny teknika kipahy, atao kitohatohatra. Tafiditra ao anatin’izany ny hamerenana amin’ny laoniny ny nofon-tany simba, ny hanitarana ny velarantany hambolena, hampitomboana maharitra ny famokarana vary. Hiteraka asa ho an’ny tanora mpamokatra eny ifotony sady hanatsara sy hampakatra ny fari-piainan’izy ireo sy ny mponina eny ifotony ny fomba fambolena.
Haparitaka amin’ny fambolena hafa
Miantoka ny fanatanterahana ity asa fananganana vala tahaka hatao andrana ity ny orinasa Com’On Holding. Anisan’ny sahaniny ny fanajariana ny tany sy ny fampiharana ny teknikam-pambolena vaovao sy maoderina. Ankoatra ny fambolem-bary, ao anatin’ny vinavina ihany koa ny hanapariahana ny teknika kipahy amin’ny seha-pambolena hafa. Satria, tsy ampy ny velarantany midadasika, ka vahaolana mahomby ity fomba fambolena ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahasamihafan’ny vokatra, ny hanatsarana ny fampiasana ny tany ary ny hampaharitra ny seha-pamokarana, afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.
Njaka Andriantefiarinesy




