Natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny Federasionin’ny karate-do Malagasy. Ligim-paritra 13 amin’ireo 15 misy no tonga nanatrika teny an-toerana. Nisy ny fanambarana nataon’ireto ligy ireto ka ny filoha Boniface no nisolo tena azy ireo. Nambara ofisialy fa miaraka amin’ny federasionina, tarihan’ny filoha Ratefinanahary Emile, izay ara-dalàna sy manaraka ny rafitra eken’ny iraisam-pirenena izy ireo. Nanamafy izany koa ny « Inspecteur principal de police », Randrianjatovo Marcel, avy amin’ny COSPN fa tsy mbola feno ny fe-potoana fiasan’ity federasionina ity ka mahatonga azy ireo miaraka aminy. Tetsy ankilany, nanamafy ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile, noho ny lainga nafafin’ireo olona nitonona ho nanangana ny « Comité ad’hoc », izay nitondra fanakorontanana teo anivon’ny karate. Nanapa-kevitra ny fivoriambe fa hampihatra ny lalàna velona amin’ireo olona rehetra, na ao anatiny na any ivelany. Hitory azy ireny eny eo anivon’ny MJS sy ny fitsarana. Anisan’ny notapahana nandritra ity fivoriambe ity ihany koa ny hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2026 any Fianarantsoa, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra. Mandritra izany no hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina. Mahakasika ity taranja ity hatrany, hitsangana atsy ho atsy ny seksionina eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra sy ny oniversite. Hisy ny fifaninanana natokana ho azy ireo amin’ny 9-10-11 oktobra, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa nizotra ny faran’ny herinandro teo ny “Coupe internationale d’Antananarivo”. Nahatratra 400 mahery ny mpandray anjara tamin’izany.
Mi.Raz




