Fantatra avokoa ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026 », taranja baolina kitra. Hifandona ny La Furia Roja Espagne sy ny Bleus France ary ny Three lions Angleterre sy ny Albiceleste Argentine.
Miato ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity alatsinainy ity, mialoha ny hiatrehana ny dingana manasa-dalana, rahampitso talata. Ekipa 4 sisa no manohy ny fifaninanana taorian’ny ampahefa-dalana natao ny sabotsy sy omaly alahady. Hanokatra ny lalao ny fifanandrinan’ny La Furia Roja Espagne sy ny Les Bleus France, ao Dallas. Fihaonana anisan’ny hisongadina indrindra ary andrasan’ny rehetra. Hiendrika famaranana kely mantsy izany. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’ny roa tonta mialoha izao ankatoky ny famaranana izao. Nandresy ny Diables Rouges Belgique, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny La Furia Roja Espagne. I France kosa nanilika an’i Maroc, 2 no ho 0.
Hanala vela amin-dry zareo espaniola, amin’ity, ny frantsay. Ny fihaonana farany natrehin’ny roa tonta mantsy dia ny manasa-dalana ny «Ligue des Nations UEFA», natao tany Allemagne, ny 5 jona 2025. Lavon’i Espagnol, tamin’ny isa 5 no ho 4, ry zareo frantsay ka ity no valin’ady ho azy ireo. Hifampitana amin-dry Olisé sy ry Mbappé ary i Dembele i Yamal sy i Pedri. Tsiahivina fa ny La Furia Roja irery no ekipa nidiram-baolina vitsy indrindra, satria iray monja izany.
Ny manasa-dalana iray kosa, hifanandrinan’ny Three Lions Angleterre sy ny Albiceleste Argentine. Lalao hatao ao Atlanta, ny alarobia 13 jolay 2026. Nandritra ny ampahefa-dalana, lavon’ny Angleterre, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Norvège ary efa tany amin’ny fanalavam-potoana kosa vao nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Argentine. Ekipa roa tsy mihaona matetika. Efa tamin’ny taona 2005 ny fifanandrinan’izy ireo farany ka nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 3 no ho 2, i Angleterre, tamin’izay.
Tompondaka




