Raim-pianakaviana iray naratra voatsindrona antsy teo amin’ny takibany, omaly maraina, tetsy Anjanahary. Handeha hamonjy asa maraina, nandeha moto izy, no tratran’izany. Nikasa hangalatra ny moto nentiny ilay mpanao ratsy. Lasa nitsoaka vao avy namely. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay naratra, taorian’izay.
Raim-pianakaviana iray hafa, maty kilan’ny afo tao amin’ny trano nirehitra tetsy Tsaralalàna, ny alin’ny zoma lasa teo. Efa tamin’ny 12 ora alina vao hitan’ny mpamonjy voina ny faty teo ambony tohatra. Nikasa hanavotra ireo entana sasany tany ambony rihana izy raha vao nirehitra ny trano. Efa nandrara azy ny fianakaviana saingy nikiry izy ary may tao.




