Tsipy kanetibe: Vaky ny ady eo amin’ny UBMT sy ny FSBM

Mifanenjana amin’izao fotoana izao ny klioba Union des bouliste Manjaka Tokana (UBMT) sy ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Anton’ny olana ny fandehanana miatrika ireo lalao isan-tokony any France.

Tsy miafina amin’ny rehetra intsony, eny na hatrany ivelany aza, ny lamba maloton’ny tsipy kanetibe malagasy. Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny klioba UBMT sy ny Federation sport- boule malagasy (FSBM). Raha tsiahivina, tsy vao izao no nisy ny disadisa teo amin’ny roa tonta fa efa hatrany amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny FSBM. Anke­hi­triny, misy olana vaovao indray ka nampirefotra ny baomba. Ny tsy fahazoan’ny ekipam-pirenena malagasy “visa”, tokony hiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena any France, no nampirehitra ny afo. Vokany, tsy afaka niaro ny anaram-boninahitra teo am-pelatanany tamin’ny “Mondial La Marseillaise” i Madagasi­kara.
Tetsy ankilany, afaka nandefa ny ekipany ny UBMT ka mbola any an-toerana, ankehitriny, miatrika ireo fifaninanana isan-tokony. Namaky bantsilana ity tranga ity i Michou Luc, filohan’ny UBMT, tamin’ny alalan’ny horonantsary nataony ny zoma sy ny sabotsy lasa teo.
Tsy nitsitsy fitenenana izy fa ny tsy fahaiza-manaon’ny tomponandraikitry ny FSBM no tsy nahazoana “visa” fa tsy misy hidiran’ny tenany velively, ka nampitandrina izy. Ny sabotsy lasa teo, teny Ankatso, namaly Randriani­rina Adrien, filohan’ny FSBM, fa mbola manantena ny hivoahan’ny “visa” ho an’ny ekipam-pirenena mba hahafahana mandray anjara amin’ireo lalao hafa izay mbola maro. Mahakasika ny sazy nahazo ny UBMT, tsy ny FSBM no nanao izany fa ny federasionina frantsay, hoy izy, saingy efa nivaha izany ankehitriny. Ny mpitantana ny UBMT kosa manitrikitrika ny hivoahan’ny marina ary mangataka fifanatrehana eo anatrehan’ny mpanao gazety, amin’ny filohan’ny FSBM, amin’ity herinandro ity.

Tompondaka

Partager sur: