Atao ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetikasa Progres. Voakasik’izany ny asa any amin’ny faritra Menabe, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania. Nanatanteraka ny fidinana ifotony, ny 7-12 jolay teo, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny delegasionin’ny Fida miasa eto Madagasikara, izay mamatsy vola ny tetikasa. Atao isan-taona ny fanaraha-maso toy izao, hijerena ny fiantraikany any amin’ny mpahazo tombontsoa sy hijerena ny lesoka.
Nivoaka ny 10 jolay teo ny andiany « Aritefy » ao amin’ny sekoly ambony Inscae, andiany faha-41. Minisitera mpiahy ny Inscae hatramin’izay ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola, entina hanohanana ny fampianarana sy ny tanora, hiatrehany ny hoaviny. Torohevitra nomena ny mpianatra ny tsy hananan’izy ireo ahiahy na tahotra, satria « hananan’izy ireo ny fahaizana, ny aritra ary ny tefy ».
Nanokatra ny fankalazana ny faha-50 taonany koa ny Jirama any Menabe. Notontosaina tany Morondava izany, ny faran’ny herinandro teo, ka nisy ny fanomezana mariboninahitra (medaly volafotsy sy alimo) ho an’ny mpiasa miisa 19, nahavita be teo anivon’ny Jirama Menabe. Nisolo tena ny tale jeneraly, ny tale jeneraly lefitra misahana ny Solika (HFO-LFO), Ramatoa Andriamampionona Francesca.




