Baolina kitra – Klioba Delta United: Hifantina tanora eto Madagasikara

Ho fanampiana sy ho fikarakarana ny tanora malagasy, nantsangana ny klioba fiofanana baolina kitra, Delta United.
Nambaran’ny teknisianina, Rasoanaivo Titi na ny Coach Titi, fa natsangana ho an’ireo zandry latsaky ny 16 sy ny 18 ary ny 19 taona izy ity. Hisy ny fifantenana manerana ny faritra eto Madagasikara rehefa vita eo ny fanadinana baccalaureat. “Sehatra iray hananganana sy hanangonana ireo tanora manan-talenta, hanosehana azy ireo any amin’ny sehatra matihanina izy ity. Tsy ivontoeram-piofanana fa klioba fiofanana”, hoy ihany ny Coach Titi. Nomarihiny fa natao izao tetikasa izao noho ny fahitana fa vitsy ireo tanora eto an-toerana no milalao any amin’ny sehatra ambony. Tanjon’ity klioba ity ny handefa azy ireo any amin’ireo klioba goavana any Eoropa, aty Afrika sy ireo ekipa matanjaka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. “Hatao toy ilay klioba Tanà Formation ta­min’izany izy ity. Hampiavaka azy kosa, hotohanana hatrany izy ireo ho tonga any amin’ny sehatra ambony kokoa”, hoy ihany ity mpanazatra ity. Ampahafantarina ihany fa ha­nomboka eto an-dRenivo­hitra ny fifantenana ary hipaka any amin’ny faritra. Rehefa tontosa izany, havondrona eto Antananarivo ireo voatsonga hiatrika ny dingam-pifantenana farany. Handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena eto Analamanga ity klioba ity fa tsy hijanona amin’ny fampiofanana fotsiny.

Fitia Randria

Partager sur: