Rugby XXL Top 12: Hifampitana indray ny FTM sy ny USA

Nifarana ny alahady teo ny fifanintsanana ady laharana hiakarana amin’ny dingana manaraka, ho an’ny « XXL Top 12 ». Tafita hiatrika izany ny ekipan’ny Cosfa, CEA Andranomanalina, Uscar, FTM Manjakaray, tompondaka farany, USA Ankadifotsy, TFA Anatihazo. Araka ny fanazavana azo omaly, miandry ny manasa-dalana avy hatrany ny Cosfa sy ny CEA. Manao lalao sakana hiakarana amin’ny manasa-dalana kosa ireo fileovana fahatelo hatramin’ny fahenina. Raha tsy misy ny fiovana farany, hifandona, ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka, ny ekipan’ny kaominina, fahatelo sy ny TFA Anatihazo, fahenina. Ankadifotsy, fahadimy, hifampitana amin’i Manja­karay, fahefatra. Fifanandri­nana andrasan’ny maro ny an’ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray. Manala vela ny “maitsokely” amin’ity. Hatao amin’io fotoana io ihany koa ny lalao sakana hiakarana Top 12, hihaonan’ny US Che­minots sy ny RCSA Anosibe.

Fitia Randria

Partager sur: