SOMBIM-BAOVAO

I Zimbaboe sy i Namibia no iray  vondrona amin’i Madagasikara,  amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila amin’ny « Afrobasket U18 »,  hatao ny 22 jolay hatramin’ny 30 jolay izao, any Zimbaboe. Izay ekipa voalohany ao anatin’ny vondrona no hiatrika ny « Afrobasket » hatao any Côte d’Ivoire,  ny 5 hatramin’ny 16 aogositra izao.

Hotanterahina ny 25 jolay hatramin’ny 1 aogositra izao  ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara,  taranja Volley ball,  eo amin’ny sokajy latsaky ny 13 taona sy ny latsaky ny 17 taona,  lahy sy vavy. Ao amin’ny Kianja mitafo Ambato­me­na, Fianarantsoa, no hanatontosana ity fifaninanana ity, amin’ity taona 2026 ity.

Any Toliara no hanatanterahana ny andiany faha-30 amin’ny “Tournoi de Capricorne”,  taranja Judo. Fifaninanana efa ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny Judo sy efa fanao isan-taona. Lalao handraisan’ny judokas malagasy manerana ny Nosy anjara.

Partager sur: