Fondation Axian sy ny Kozama: Nanokatra sekoly eny Imerintsiatosika

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo, ny EPP Mandrosoa ao Imerintsiatosika. Fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny fikambanana Kozama ary ireo manampahefana sy mponina ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika no nahavitan’ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas izy ity.
Efitrano fianarana telo sy trano fivoahana no natsangana, izay manome toeram-pianarana azo antoka sy mendrika ho an’ireo mpianatra maherin’ny 520. Tsy nanana afa-tsy efi­trano fianarana roa, efa tonta, ny EPP Mandrosoa, teo aloha. Noho ny fahateren’ny toerana, any am-piangonana no natao ny ampahany amin’ny fampianarana. Manoloana ny fitom­boan’ ny isan’ny mpianatra, tsy voahaja intsony ny fepetra entina manabe ny ankizy teny an-toerana.
Ahafahan’ny ankizy mianatra ao anatin’ny tontolo azo an­toka ny fotodrafitrasa vaovao. Mifanaraka koa amin’ny filany, manamora ny fandraisana fahalalana. Ankoatra izay, manome fahafahana ho an’ireo mpampianatra hiasa ao anatin’ny tontolo mendrika ny andraikitra sahaniny koa izao fotodrafi­trasa vaovao izao.
Hiantoka ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fampianarana mandritra ny telo taona ny Kozama. Ham­piofana momba ny fampianarana mavitrika, miampy tantso­roka sy fanohanana ireo mpampianatra, ho fanampiana ny talen-tsekoly amin’ny fitantanana ny fampianarana…

Tatiana A

Partager sur: