Am-perinasa tanteraka ny vovonana Tantana ankehitriny, herinandro taorian’ny nijoroany tamin’ny fomba ofisialy. Sehatra iray ivondronan’ny tanora mpitarika sy ireo raiamandreny resy lahatra amin’ny fanohanana ny fanavaozana sy ny Kly Randrianirina Michaël izany. Misokatra amin’ny sokajy sy ankolafy samihafa izy. Mametraka ny fahavononana sy asa ho enti-mampandroso fa tsy mijanona amin’ny fivoizana foto-kevitra ho sivana voalohany, ahafahana miditra ho mpikambana ny Tantana. Manana sampana maromaro ny vovonana. Misy ny ho an’ny vehivavy, ho an’ny tanora ary ho an’ny olom-pirenena rehetra.
Tafiditra amin’ny fametrahana ny lamina rehetra, ny zoma lasa teo, nisy ny fivoriana niarahan’ny birao sy ny mpandrindra nasionaly, tamin’ny mpandrindram-paritra sy ny mpitarika ny ratsa-mangaika. Nivoitra tamin’izany ny fiarahana nijery ny fanatanterahana ny vina ao anatin’ny firaisankina sy ny tsy fanavakavahana. Mivelatra amin’ny lafiny maro ny Vovonana toy ny sosialy, toekarena, ny politika. Napetraka tamin’io fotoana io koa ny mpandrindram-paritra Analamanga sy ny Ambasadaoron’ ny Faritanin’Antananarivo.
Tanora avokoa ny mpitarika ny vovonana: Rakotoniaina Justin, filoha. Razafindrakoto Hariniaina, mpandrindra nasionaly, ary Andrianomanana Fenitra no sekretera jeneraly.
r.r




