Hosantarina anio ny fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja filozofia no hatrehan’ny mpiadina ho an’ny tapany maraina. Haharitra hatramin’ny zoma ny fanadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany.
Ho fanamorana ny fivezivezen’ireo mpiadina bakalorea sy ho fanohanana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka manoloana ireo tranga mampanahy niseho tato ho ato, nanolotra Bus Foton hitaterana maimaimpoana ireo mpiadina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina an’Antananarivo ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël. Bus Foton miisa 84 no hahetsika amin’ny zotra 22, ary hanomboka hiasa amin’ny 5 ora sy sasany maraina mandritra ny fanadinana. Fepetra takina ny fitondrana ny taratasy fiantsoana fanadinana (convocation) sy ny karapanodrom-pirenena (CIN) na ny karatra maha mpianatra. Afaka miaraka amin’ny mpanaraka iray ny mpiadina. Maimaimpoana ny fitaterana ary hisy marika «examens» ireo bus mba ho mora fantarina.
Ankoatra izany, hisokatra ho an’ireo mpiadina ny zaridaina rehetra ahafahan’izy ireo misakafo sy manao famerenana mialoha ny fanadinana. Efa napetraka ihany koa ny fepetra rehetra hiantohana ny filaminana ka hiara-hiasa amin’izany ireo mpitandro filaminana.
Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-mientan’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny minisitera rehetra misahana ny fampianarana sy ny minisitera hafa maromaro ary ny kaominina Antananarivo ho fanohanana ireo mpiadina hiatrika am-pilaminana ny fanadinana bakalorea.
Hahetsika ny mpiasa eo anivon’ny minisitera
Ho fiantohana ny fizotran’ny fanadinana ao anatin’ny fitoniana, ny fahamarinana sy ny filaminana, nanao fandaminana manokana ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanetsehana ny mpiasa eo anivon’ny minisitera sy ireo avy amin’ny ivotoeram-pikarohana eo ambany fiahiany, izay ahitana ireo mpitantana isan-tsokajiny, ireo lehiben’ny sampan-draharaha ary ireo mpiasa rehetra hanao ny asa fanaraha-maso hentitra. Hiparitaka any amin’ireo faritra rehetra misy ivotoeram-panadinana manerana ny Nosy ireo mpanara-maso ireo mandritra ny fotoam-panadinana.
Vonjy




