Bakalorea 2026: Mpiadina 24 183 no an’ny faritra Atsinanana

Anio amin’ny 7 ora maraina no hifamotoana etsy amin’ny Lisea Jacque Rabemananjara ny manampahefana ao Toamasina hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny laza adina ho an’ny fanandinam-panjakana Bakalorea taona 2026.
Fantatra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ireo tomponandraikitra maro samihafa mitantana ny fanadinana bakalorea fa miisa 24 183 ny mpiadina ho an’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Avy amin’ny fampianarana ankapobeny ny 22 887 raha 1096 ny mpiadina ho an’ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa. Miisa 22 198 kosa ny kandida avy amin’ny sekoly ary 1985 avy amin’ny tenany manokana.
61 taona ny zokiny indrindra ary eto Toamasina ny ivontoeram-panadinana hikatrohany raha 10 taona kosa ny zandriny indrindra ary any Moramanga kosa ny foibem-panadinana misy azy roa ireo. Samy nisafidy ny sokajy A2 avokoa ireo mpiadina ireo. Mitotaly 54 ny efitranom-panadinana handray ireo mpiadina mandritra ny bakalorea.

Sajo

Partager sur: