TSELATRA

Olona efatra mpanamparitaka vola sandoka tra-tehaka tao Ambalavato, faritra Matsiatra Ambony, afakomaly. Mody nametraka vola mitetina 80 000 Ar tamin’ny Cash point ireo mpisoloky. Tsikaritry ny tompon-tsena ka noraisim-potsiny.

Nosamborin’ny zandary tao Sahalemaka fo­kontany Ambaniala, kaominina Bemasoandro ny lehilahy iray mpisoloky, afakomaly. Mody mivarotra entana mora amin’ny alalan’ny ranty ao anatin’ny tambajotran-tserasera amin’ny kaonty maro samihafa io lehilahy io.

Partager sur: