Niditra tamin’ny andro faha-13, ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona. Fifaninanana izay tanterahina isaky ny faran’ny herinandro, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.
Fanamby efa napetraka hatrany am-piandohana, ho an’ny ligin’Analamanga ny basikety, ny hisian’ny lalao maro araka izay tratra, amin’ny sokajy rehetra. Ny fifaninanana eo amin’ny sokajy U23 amin’izao no mizotra ary hita taratra ny fivoarana eo amin’ny klioba tsirairay. Lalao 6 avy isaky ny klioba, hatreto, no efa vita ary tanjona ny hahavitana lalao 9 isaky ny klioba. Ny mba hampiakarana ny lentan’ny mpilalao sy ny klioba tsirairay no anton’izao paikady apetraky ny ligin’Analamanga basikety izao, araka ny fanazavan’ny tompondraikitry ny hetsika eo anivon’ny ABL, Ramanantoanina Mahandry. Tanjona ihany koa ny hampahalalana bebekokoa ny mpankafy basikety, ny fifaninanana eo anivon’ny ligy. Nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika hatrany fa efa manomboka mitombo ny mpijery tonga manatrika ny lalao. Raha hiverenana ny vokatra tamin’ity andro faha-12 ity, niady ny fifandonana teo amin’ny Fandrefiala sy ny SMBC. Nisongadina sy nitarika hatrany ny SMBC tamin’ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa ary nisy elanelan’isa maro mihitsy teo amin’ny roa tonta. Nitsimbadika anefa izany, taorian’ny fialantsasatra ka lasan’ny Fandrefiala ny fandresena, tamin’ny isa 83 no ho 75. Teo amin’ny vokatra hafa kosa, nandresy ny BCR tamin’ny isa 91 no ho 65, ny ekipan’ny ASSM. Isa 78 no ho 70 kosa no nandavoan’ny AKBB ny ekipan’ny ASB. Tsiahivina fa mifanindry an-dalana amin’ity fifaninanana ho an’ny U23 ity ihany koa ny lalao eo amin’ny Vétérans sy Super Vétérans, izay mbola hitohy amin’ny faran’ity herinandro ity, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.
Mi.Raz




