Mpiadina 233 538 no miatrika ny fanadinana bakalorea, izay ahitana fitomboana 5,04 % raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa.
Tao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo sy ny Lycée teknika Mahamasina no nanatanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny fanokafana ny fonosana misy ny laza adina filozofia, ny tapany maraina. Hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fangaraharana ho an’Antananarivo, izany. Nitarika izany ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, notronin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa.
Ho an’i Mahajanga, tao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana no nanaovana ny fanombohana notarihin’ny filohan’ny Oniversite, Pr Randrianambinina Blanchard sy ny ofisin’ ny bakalorea notarihin’ny Pr Roukia. Ho an’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana ara-kasa, misy mpiadina 1 122, ka fampianarana ankapobeny ny 25 178.
66 taona no lehibe indrindra miadina ao Mahajanga ary 14 taona ny zandriny indrindra, miadina ao Mandritsara sy ao Mampikony. Manana ivontoeram-panadinana 41, amin’ny faritra efatra: Boeny, Sofia, Melaka, ary Betsiboka.
Manana foibem-panadinana enina ny ao Mahajanga ka iray amin’izany ny ao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana. Maro ny mpiadina mbola nitondra finday ihany ka voatery navondrona ivelan’ny efitranom-panadinana tamin’ny toerana iray ny kitapo rehetra nisy izany. Mbola mamerina ny fanentanana ny tomponandraikitra fa tsy azo atao ny mitondra finday, famantaranandro connectée ary ny “calculatrice programmable”.
Ho an’ny faritanin’i Toliara, 29 144 ny isan’ny mpiadina, miparitaka amin’ny foibe 35. 60 taona ny zokiny indrindra, raha 10 taona ny zandriny. Filamatra ny hoe “Bakalorea malio 2.0” hitsinjovana ny fahamarinana sy ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly, araka ny nambaran’ny filohan‘ny oniversiten’i Toliara, i Veriza Francis.
Vonjy




