Naharitra telo andro ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana ary atrikasa nasionaly momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina eto Madagasikara. Hetsika natao tao amin’ny Foibe fanangonana sy fampivondronana ny vaovao an-dranomasina (CFIM) Ankaditoho, ny herinandro lasa teo. Natokana ho fampahafantarana ny vokatry ny asa nataon’ireo vondrona ny andro fahatelo farany. Nizara ny soso-kevitra sy ny fehin-kevitra navoakan’ny vondrona tsirairay ireo mpandray anjara. Nofintinina tao anatin’ny tatitra ireo soso-kevitra sy fehin-kevitra rehetra ary natolotra nandritra ny fivoriana famaranana. Ity tatitra ity no ho fototra iorenan’ny paikady vonjimaika (taona 2026-2027) sy ny paikady maharitra hanohizana ny ezaka fanamafisana ny fitantanana sy ny fandriampahalemana an-dranomasina eto Madagasikara.
Nambaran’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny jeneraly Démosthène Pikulas, tamin’ny mpandray anjara rehetra ny hampiharana amin’ny asa sy politika mivaingana ireo soso-kevitra nivoaka nandritra izany. Nasongadin’ ireo nandray fitenenana koa ny maha zava-dehibe ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana, ny Tafika sy ny hery fiarovana ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Hanamafy ny fitantanana ny sehatra an-dranomasina sy hiarovana ny fiandrianam-pirenena ary hampandrosoana ny toekarena manga izany.
Vonjy




