Tsy mifanalavitra amin’ny zavatra natao tany am-pianarana sy nandritra ny famerenana ny laza adina niandry tamin’ny filozofia, ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinana bakalorea, omaly maraina. Mathématique sy malagasy no atrehin’ny mpiadina anio tontolo andro. Manatitra sy maka ny mpiadina ny ray aman-dreny, isan’andro, noho ny zava-misy miseho amin’izao fotoana izao. Mitondra ny sakafo atoandro ihany koa isorohana ny fivezivezena lavitra.
Manomana andro siantifika, anio, eny amin’ny amphithéâtre HJRA, ny Ifirp Analamanga ho fanamarihana ny faha-50 taonany. « 50 taona ho an’ny fanofanana sy ny fampandrosoana: fikarohana, haivao sy ny zavatra andrasana ho an’ny hoavy » no lohahevitra voizina ao anatin’ny fifampizarana eny an-toerana.
Mitohy hatrany ny hetsika fanentanana ataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina miaraka amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP) momba ny lohahevitra fiarahamonina lavitry ny herisetra. Ny herinandro lasa teo, mpiasa amin’ny orinasa afakaba eny Tanjombato no niompanan’ny fampahafantarana sy fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra miseho eny amin’ny toeram-piasana sy ny fiarovana ny ankizy.




