Kitra – Yas Coupe 2026 : Tafita amin’ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge

Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ i Madagasikara, “Yas Coupe 2026”. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge.

Ny ekipan’ny AS Ste Anne Bongatsara sy ny FC Rouge no hiatrika ny lalao famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar 2026”, taranja baolina kitra. Raha hiverenana kely ny lalao manasa-dalan’izy ireo, izay natao tetsy By-pass, omaly. Ny AS Ste Anne nandavo ny Wagner FC, tamin’ny isa 4 no ho 3. Tsara marihina fa efa tany amin’ny minitra faha-119, fanalavam-potoana, vao tafavoaka ho mpandresy ny AS Ste Anne, rehefa nahatafiditra baolina i Babangy, vodilaharana. Ho an’ny ankilany indray, nahintsan’ny FC Rouge, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Cosfa miaramila. Niady tanteraka ny lalaon’ny ro tonta. Ny ekipan-dry zareo mena no nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Baolina nampidirin’i Ismael, ny minitra faha-27. Taorian’ io, taitra tamin’ny torimasony ny miaramila, nahasahala ny isa i Toky, ny faha-65 min. Ny minitra faha-82, nampitomboin’i Rina, FC Rouge indray ny isa teny amin’ny solaitrabe, ka nitarika 2 no ho 1 in­dray izy ireo. Nofaranan’i Tojo ny lalao rehefa nampiditra
ny baolina fahatelo ho an’ny FC Rouge izy, ka nivoaka ho mpandresy ny ekipany, 3 no ho 1.

Hanala vela ny AS Ste Anne

Ny taona 2023, efa nidona teo amin’ny lalao famaranan’ny ligin’Analamanga ireto ekipa roa tafakatra ireto. Resin’ny FC Rouge, 3 no ho 1, ny AS Ste Anne, tamin’ izany. Mbola manala vela amin’ity fihaonana ity, araka izany, ny AS Ste Anne. Sam­bany ho an’ireto ekipa ireto ny hiatrika famaranan’ny amboara nasionaly. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny sabotsy 25 jolay ho avy izao, etsy By-pass ihany, ny famaranan’ny “Yas Coupe 2026”.

F.R

Partager sur: