Rugby – Manasa-dalana Top 12 : Vonona haka fandresena ny Uscar

Anisan’ny fihaonana goavana, andrasan’ny rehetra, ny donan’ny Uscar sy ny CEA Andranomanalina. Ho toy ny famaranana kely io kopaka io. Vonona ny hanala vela sy haka fandresena ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

“Hatreto, tsy misy mieritreritra izany Uscar izany hanao famaranana amin’ity Top 12 ity”, hoy i Berthin Zoto, mpandrindra teknika ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fanomanan-tena nataony, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Kianja Ala­robia. Raha tsiahivina, hifandona amin’ny CEA Andrano­manalina izy ireo, ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka. Nomarihin’i Tony, kapitenin’ny ekipa fa matoa tonga amin’izao dingana izao ny Uscar dia nisy ny fiaraha-mi­entana sy ny ezaky ny tsirairay. “Efa vonona ara-batana sy ara-tsaina ireo mpilalao rehetra ary eto dia misaotra
ny Filohan’ny delegasionina manokana izahay, amin’ny fanohanany”, hoy i Herilaza, filohan’ity ekipa ity.
Ankehitriny, miverina amin’ ny heriny tanteraka ny Uscar ary tapa-kevitra ny rehetra hamerina indray ny anaram-boninahitra ho eo an-tanan’izy ireo. Manohana ny ekipa ny filohan’ny delegasiona manokana, Ralambomanana Feno sy ny fitaleavana fanatan­jahantena sy fanabeazana. Manao antso avo amin’ireo mpiasan’ny kaominina milalao ao amin’ny CEA ny tomponandraikitra hiverin-dalana, hanatevina ny ekipa satria izay no fifanarahana tamin’izy ireo.
“Vonona ny hanome ny tsara indrindra sy ny heriny rehetra ho an’ny Uscar ireo mpilalao ka miantso ireo mpanohana”, hoy i Jacquis, mpanazatra. Nomarihin’i Berthin Zoto, fa tsy mifidy izay ho mpitsara ny lalao na vazaha na gasy izy ireo ary hanaiky izay vokatra eo. Na izany aza, mampalahelo ihany, hoy izy, raha hatao vahiny satria very maina ny nanofanana azy ireo, hatramin’izay. Ny lalao manasa-dalana ilany kosa hifanandrinan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray.

Tompondaka

Partager sur: