Hisantatra ny taom-pianarana 2026-2027 ny 7 septambra ho avy izao ny mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa eto Madagasikara. Fotoana fanangonan’ny ray aman-dreny ny fitaovana izao hanamaivanana ny fandaniana mifandraika amin’izay.
Manomana ny fitaovana sy ireo kojakoja ilain’ny mpianatra ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao. Rehefa vita ny fanamafisana ny fisoratana anarana, manomana ny fitaovam-pianarana ny dingana manaraka. Vidiana tsikelikely ny zavatra tena mavesatra, toy ny kahie sy ny boky, indrindra ireo mpianatra efa mampiasa kahie “grand format”. Nahitana fiakarana ny vidin’ny kahie lehibe eny amin’ny mpamongady eto an-dRenivohitra.
Ho an’ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina, any am-pianarana ihany no vidiana ny fitaovana mba hitovy avokoa ny kazarany ampiasain’ny ankizy. “Mateza kokoa ny fitaovana vita avy any eoropa raha mitaha amin’ny vita sinoa ka izay no antony hamondronana ny filana rehetra aty am-pianarana ka ny mpitantana ny sekoly no mividy miaraka ny fitaovana”, hoy ny mpitantana sekoly tsy miankina iray. Ny ray aman-dreny rahateo tsy manana fotoana hitadiavana ireo kojakoja ka manampy azy ireo ny tolotra avy amin’ny sekoly.
Andaniana vola hatramin’ny 400 000 Ar no ho mihoatra ny mpianatra iray eny amin’ny ambaratonga voalohany amin’ ny fitaovana sy ny frais généraux ary ny fiantohana takin’ny sekoly ho an’ny taom-pianarana vaovao. Miakatra io sorabola io rehefa miditra amin’ny ambaratonga faharoa ny ankizy satria maromaro ny kahie sy ny boky ampiasaina.
Ny sekoly sasany manaiky ny hampiasana ihany ny fitaovam-pianarana tsy mbola simba ho fitsinjovana ny ray aman-dreny fa vitsy no mampihatra izany. Misy ny toeram-pampianarana mifandamina manokana amin’ny ray aman-dreny momba ny fanefana tsikeliky ny vola mialoha ny fidirana, tsy nampiakarina koa ny saram-pianarana ho an’ny taom-pianarana ho avy.
Vonjy




