Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny QG Ankorondrano ny Local Conference of Youth on Climate Change (LCOY) Madagascar 2026. Hetsika iraisam-pirenena nokarakarain’ny Alliance Aika, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Sehatra iray manan-danja ho an’ny tanora ny LCOY. Hahafahan’izy ireo maneho ny feony, mizara ny fijeriny ary mamolavola tolokevitra momba ireo fanamby ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Hatolotra eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hisolo tena ny feon’ny tanora malagasy, ireo fanambarana sy soso-kevitra voarafitra mandritra ity hetsika ity.
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny tranom-piantohana Ny Havana, ho fanamafisana ny fiarovana sy ny fiantohana ireo mpiasa sy mpianatra eo anivon’ny minisitera, ny herinandro lasa teo. Anisan’ireo hisitraka izany fiarovana izany ny mpiasa sy ny fianakaviany. Eo koa ireo mpianatra handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly.
Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Analakely, ny fanolorana ireo fitaovam-pidiovana sy fanadiovana tanana ho fanamafisana ny ady amin’ny Mpox eny anivon’ny sekoly. Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Croix-Rouge Malagasy ny hetsika. Sekolim-panjakana 90 manerana ny Dren Analamanga no hisitraka ireo fitaovana, ho fanatsarana ny fahadiovana sy ny fisorohana ny fiparitahan’ny aretina.




